Nanambara ihany koa i Nate Tex, omaly, fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny seho tokony hataony anio, ao Antsirabe. Nafanafana ihany koa mantsy ny tany an-toerana, izay ahina hisy fiantraikany anio. Na izany aza, nampanantena ity mpanakanto ity fa tsy maintsy hisy ny fihaoanany amin’ireo mpankafy any Vakinankaratra. Na izany aza, nilaza kosa izy fa voatazona, hatreto, ny hetsika “Talabatra Food Festival”, izay handraisany anjara ny 11 oktobra izao, eny amin’ny CCI Ivato.
“Festival Jôkôssô”, hisy fihaonana amin-dry Fou Hehy. Misy koa ny fifampizarana traikefa mandritra ity hetsika ho an’ny hatsikana ity. Hatao ny 4 oktobra izao izany, eny amin’ny AFT Andavamamba, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hitantara ny lalana nolalovany, ny nanombohan’ny “Torak’Hehy” hatramin’ny fampisehoana sy fanentanana efa notontosain’ ny tarika hatramin’izay izany.
Foana avokoa ny “cabarets” rehetra, kasaina hatao rahampitso. Maromaro ireo efa voaomana, saingy noho ny fisian’ny “couvre-feu” dia voatery nofoanana izany. Anisan’ny tafiditra anatin’izany ny sehon’ny Olombelo Ricky tokony hatao etsy amin’ny La City Ivandry, anio alina. Efa tapitra avokoa anefa ny tapakilan’ity seho ity ary efa miandry sisa ireo mpankafy…




