Hetsika « Leo delestazy »: Manameloka ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny OJM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny tranga niseho tamin’ny hetsika « Leo delestazy sy rano », omaly.

«Manameloka ny fi­kasihan-tanana nataon’ny mpitandro filaminana ny mpanao gazety raha nanao ny asany nanamarika ny zava-nitranga iny izahay », hoy izy ireo.
Nanterin’ny OJM fa nanatanteraka ny adidiny amin’ny fanomezana vaovao ny va­hoaka ny mpanao gazety. Andraikitra tena ilaina ao anatin’ny demokrasia ary voaaro araka ny lalàna izany, araka ny fanambarana. Nohitsin’ny fanambarana fa fihetsika feno herisetra sady fikasihan-tanana ny mpiara-miasa izany. « Tena fanakatsakanana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny zo hizara vaovao ho an’ny olom-pirenena mala­gasy rehetra koa », hoy izy ireo. Voatsiahy tamin’izany fa arovan’ny lalàna ny fakan’ny mpanao gazety ny vaovao.

Mitaky fanadihadiana haingana ny OJM

Manan-jo hahazo vaovao, tsy misy sakana ny mpanao gazety momba ny zava-drehetra mahakasika ny tombon­tsoam-bahoaka, araka ny fanambarana hatrany.
Manoloana izany, miantso ny manampahefana mahefa hanao fanadihadiana haingana sy hentitra mba haman­tarana sy hitondrana eo anoloan’ny fitsarana ireo nanao izao fanafihana izao ny eo anivon’ny OJM. « Ilaina maika ny fiantohana ny fiarovana ny mpanao gazety, mifanaraka amin’ny tany tan-dalàna », hoy ihany ny fanambarana.
Notsiahivin’ny OJM koa ny fanohanana tanteraka ny mpanao gazety niharan’ny herisetra. Nampanantena ny eo anivon’ny holafitra fa eo akaikin’ny mpanao gazety rehetra hatrany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: