Niantso ireo tanora Gen Z any amin’ny faritra ny eo anivon’ny mpitarika sy ny foiben’izy ireo mba hanohy ny hetsika, tamin’ny omaly. Nanentana ny mpikambana izy ireo mba tsy hihantsy ny mpitandro filaminana ary hisambotra ireo mpandroba. « Aoka koa isika hanalavitra ny faritra mena… Mampahery antsika », hoy izy ireo.
Nanentana ny mpikambana ao aminy ny Gen Z Antananarivo mba hitondra kifafa sy lapelina ho an’ny fanadiovana ny tanàna. Tsy maintsy arahina izany, araka ny fanambarana. « Natao izao hanehoana fa olona nianatra sy misaina tsara isika ary hifampizara amin’ny toerana azo antoka, hodiovina. Tsy mifangaro amin’ireo mpandroba », hoy ny antso.
Nanao fanambarana fisaorana ny vahoaka ny Antoko politika madio (APM), omaly, noho ny firaisankina sy faharesen-dahatra tamin’ny fitakiana ny zo fototra araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Nohelohin’izy ireo koa anefa ireo fanararaotana sy fandrobana. « Fihetsika mamohehatra sy tsy fampiseho masoandro izany », hoy izy ireo.
Naneho ny heviny ny eo anivon’ny HVM manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambaran’ny sekretera jeneraly, Rasambany Desiré Alain fa « mankahery ireo mpiray tanindrazana, tanora amam-behivavy, niharan’ny herisetra sy nosamborina ary ireo namoy ny ainy sy ireo potika fananana vokatry ny hetsika, fitakiana am-pilaminana ».




