Rava ny Cinépax. Efitrano fijerena sarimihetsika ao amin’ny Tana Water Front, izay niharan’ny fandravana sy fandrobana ny alin’ny alakamisy teo. « Tsy maintsy mikatona aloha izahay, sady handinika ny fahavoazana. Toerana nifampizarana fihetseham-po, tsiky, sns, nisian’ny fihaonana nahafinaritra foana tato aminay hatrizay. Mampalahelo anay ny mijery ny toeranao izao, fa mino ny herin’ny firaisankina sy ny fitsanganana aorian’ny fahavoazana anefa izahay », hoy ihany koa ny mpitantana ny Cinépax.
Nanao fanambarana i Njakatiana. Naneho ny heviny amin’ny maha olom-pirenena miaina ny zava-mitranga amin’izao fotoana koa ity mpanakanto ity. Manameloka tanteraka ireo mpandroba ary mandiso ireo mpitandro filaminana izay namela fotsiny izany izy. Mankahery ireo tompon’ny tranombarotra sy orinasa voaroba ihany koa ary mangataka ny hamoahana ireo tsy manan-tsiny nosamborina, araka ny nosoratany tao amin’ny pejiny, omaly. Maromaro ireo mpanakanto nitovy fanehoan-kevitra tamin’i Njakatiana.
Hikatona ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio. Tsy hisy koa, araka izany, ilay fampisehoana saika hotontosain’ny tarika Angaroa. Na dia efa nampanantenaina aza ny mpankafy, tsy afa-manoatra noho ny toe-draharaha na ny mpanakanto na ny mpiandraikitra ny toerana. Marina fa tsy tafiditra anatin’ny « couvre-feu » satria nokasaina hatao atoandro ny seho, saingy tsy mbola mety amin’ny fivorivoriana izao. Tsy mbola fantatra kosa ny fotoana hisokafan’ity toeram-pialamboly ity, toy ireo rehetra mitovy aminy.




