Birao vaovaon’ny SIDPFM: Hihatsara ny tolotra amin’ny fananantany

Tafatsangana tamin’ity herinandro ity ny biraon’ny Sendikan’ny inspekteran’ny fananantany (SIDPFM), eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fa­najariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaobelina Vavitiana, fa anisan’ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo ny fametrahana amin’ny toerany izany sendikà izany. « Eo koa ny fijoroana ho amin’ny fiarovana sy ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpikambana ary ny fanatsarana ny tolotra ho an’ireo mila raharaha eny anivon’ny fananan­tany », hoy izy. Nanteriny fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny fitantanan-draharaha ity sendikà ity ary hijoro ho hery mpanolo-kevitra. Nampanan­tena koa ny tenany fa hametraka paikady ho fanatsarana ny asa. « Fantatray tokoa ny olana amin’ny ankapobeny eo amin’ny tontolon’ny fananantany ka efa mivonona ho amin’izany izahay. Anisan’izany ny paikady iadiana amin’ny kolikoly», hoy ihany izy. No­tsindriny fa anisan’ny asan’ny inspekteran’ny fananantany ny fitantanana ny tanim-panjakana sy ny tanin’olon-tsotra vita « Titre ». Nanamafisany izany ny nanambarany fa tsy misy fampandrosoana raha tsy miainga amin’ny fananantany.
Tsiahivina fa mitovy amin’ny sendikà rehetra amin’ny fananana vina ny SIDPFM ka naneho fahavononana ho amin’izany. Maherin’ny 900 ireo mpikambana ka mbola am-perinasa ny 184 amin’izany, ankoatra ireo efa nisotro ronono.

Synèse R.

Partager sur: