Toe-draharaham-pirenena : Miantso fifampiresahana ny filohan’ny FJKM

Anisan’ny nanao fanambarana koa ny eo anivon’ny birao foibe FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, Andriamampianina Zaka Harimasy. Niompana amin’ny toe-draharaham-pirenena izany hafatra izany.

Niantso ny rehetra hampiato ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tenany tamin’izany. « Mitaona antsika ho amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina ara­ka ny tokony ho izy », hoy ny filohan’ny FJKM. Nanteriny fa mifanohitra amin’ny maha Malagasy ny fampiasan-kery tsy ara-drariny, ny fandatsahan-dra, ny fandrobana sy fandravana ny fananana iombonana. Koa mitaona antsika ho tony, hibebaka, hifampitaiza sy hifanitsy ao anatin’ny fanajana ny sitrapon’Andria­manitra sy fitandroana ny fihavanana, araka ny fanambarana hatrany. Notsindriny fa betsaka ny fahasahiranana aterak’izao tranga izao. « Mampa­hery antsika hifampitsinjo, halala-tanana amin’ireo izay tra-boina, tra-pahoriana », hoy ihany izy.
Nitaona ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny tenany hitodika amin’An­driama­nitra sy hitrotro am-bavaka ny firenena. Entanina ny isan-tokantrano, isam-batan’olona, isam-pitandremana hanao rojom-bavaka mitohy ho an’ny firenena, araka ny nambarany.

Hipetrahan’ny fitoniana
Ankoatra izany, naneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana tao anatin’izao trangan-javatra izao koa ny birao foiben’ny FJKM ary mampahery indrindra ihany koa ireo rava fananana, very asa, mitondra ratram-po. « Andriamanitra anie hanasitrana azy ireny sy hampitraka ary hanonitra ny very », hoy izy. Manankarem-pahasoavana izy, ary tsy manary ny zohim-pahoriana, araka ny nambarany hatrany.
Nanamafy izany ny filohan’ny FJKM teo aloha, ny Dr Andriamahazosoa Irako Am­mi, tamin’ny fanambarany koa. Mba hipetraka eto amin’ny firenena fitoniana ary tokony hisy ny fifampiresahana hisian’ny fampandrosoana marina. « Tokony hijoro amin’ny marina anaty fahamendrehana ny rehetra », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: