Ny isavorovoroan-kilantoana

 

Aorian’ny savorovoro, tsy tokony hisy filantoana na filaminana amin’izay? Tsy azo iainana fa famonoan-tena ny korontan-dava mandavantaona. Izay tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mamosavy. Mila lantoina sy tony izao ny fihetseham-po tsy voafehy, na hatezerana, na lonilony… ? Eny hatramin’ny fanararaotana amin’ny fanaovana herisetra, fanimban-javatra, fandrobana, barofo… Tsy ho azo an-tsaina sy tsy ho tanteraka ho azy amin’izao izany, raha tsy mijery lavitra sy mahita ny hafa? Ny amin’izay mety ho vokatry ny zava-nitranga sy izay ho tohin’ny raharaha izany.
Mby aiza, ohatra, ny famahana ny olana fototra? Na mitondra ho amin’izany izay nitranga sy natao… Amin’ny maso tsy miangatra sy ny fo tony: hamaha olana amin’izay takina ny amin’ny famatsian-jiro sy rano ve, ohatra, ny fanimbana fotodrafitrasa famokarana izany na birao? Alahelo sy haterezana diso toerana… Na ahoana na ahoana, mila vahana sy tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra ny raharaha. Mba tsy hiverenan’ny toe-javatra toy ireny… Sanatria, mby amin’ny fiteny hafahafa hoe tanàna tsy ilaozan’adala? Na amin’ny fahatsiarovan-tena, na amin’ny fahatsiarovana asa…
Tsy maintsy atrehina ny olana fa tsy azo odian-tsy hita na sanatria ndeha hanaovana di-doha? Tsy ifampiandrasana, tsy ifanilihana, tsy ifanomezan-tsiny… Ny adidy tsy an’olon-dratsy, fa misy hatrany ny tsara sitrapo na olon-tsoa amin’izay ataony. Ny tena samy tena ihany no eto, ndrao hararaotin’ny vahiny rehefa tsy mahay mifandamina sy miara-miaina. Tsy ilaozan’izay miandry kendry tohiny fotsiny? Na manangoly, mamitaka… Izay no anisan’ny nahavoa hatramin’izay? Mila ilantoana ny savorovoro… Ny ady na korontana efa ho lava no maha sasatry ny miarina… marina?

R. Nd.

Partager sur: