Toe-draharaham-pirenena: Miantso fivoriana tsy ara-potoana ireo depiote

“Manambara izahay fa hiantso fivoriana tsy ara-potoana hahazoana mandinika sy mijery vahaolana haingana sy maharitra hamahana ny olan’ny firenena, na ara-tsosialy, na ara-politika, na ara-toekarena sy ny rehetra araka ny tandrifim-pahefana nomen’ny lalàmpanorenana anay.” Izay ny fanambaran’ireo depiote tsy anavahana firehana politika nentin’ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
Mitaky ny fanajana ny zo fototra rehetra voalazan’ny lalàmpanorenana izy ireo, ny fahafahana haneho hevitra an-kalalahana, ny hampitsaharana ny fifankahalana sy ny fifandranitana na iza na iza izany. Anaovany antso avo ny hery velona rehetra samy handray ny andraikitra tandrify azy avy. Mitaky ny hamoahana haingana an’ireo olona nosamborina ary hampitsahatra fisamborana noho ny fanehoan-kevitra nataony koa izy ireo, resy lahatra fa mila haverina ny soatoavina malagasy voahosihosy.
“Manameloka izahay an’ireo nanome baiko handroba sy handoro tanànan’olona ary manentana hatrany an’ireo mpitandro filaminana handray ny andraikiny dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, hoy izy ireo. Melohin’izy ireo koa ny tranga herisetra izay miteraka famonoana na faharatrana na fahasimbana fananan’olona, na avy amin’iza na iza. Anehoany alahelo sy fiaraha-miory amin’ireo namoy havana, mirary fahasitranana haingana ho an’ireo maratra, mankahery ireo rava sy very fananana tao anatin’ny 48 ora.

R. Nd.

Partager sur: