Sehatra iakaran’ny talenta vao ihany koa ny « Madajazzcar » hatramin’izay. Nivoaka tamin’ny fifaninanana teto Antananarivo ny tarika Vahandanitra. Nisongadinan’ireo tanora mpitendry kosa ny tany Toamasina.
Miato ny hetsika « Madajazzcar 2025 ». « Ny fandriampahalemana aloha no vaindohan-draharaha », hoy ny nambaran’ny filohan’ny komity mpikarakara, Jackie Ranarison. Na izany aza anefa, tontosa ny faran’ny herinandro teo ihany ny fifaninanana « Tremplin Madajazzcar 2025 », teto Antananarivo sy tany Toamasina. Fanomezana sehatra sy fikarohana ireo talenta vao amin’ny mozika jazz ny fifaninanana, izay nisy hatrany nandritra ny hetsika nandritra ny andiany maro nifanesy. Nivondrona tanaty tarika maro ireo tanora manan-talenta, milomano ao anatin’ny jazz. 5 tamin’ireny no niatrika ny famaranana « Tremplin Madajazzcar 2025 », ho an’ny teto Antananarivo. Samy naneho ny talentany sy ny mampiavaka azy ireto tanora ireto, tetsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Samy nanana ny hanitra ho azy koa ireo tarika Cinq Op, Art Diem, Jady Trio, Uj&B ary Vahandanitra. Ireto roa farany ireto no niatrika ny famaranana, ka nivoaka ho mpandresy tamin’ity andiany ity ny tarika Vahandanitra!
“Mafy ny fikaonandoha teo amin’ireo mpitsara, satria sady mahay no manan-talenta avokoa ireo mpifaninana”, hoy hatrany ny mpikarakara. Mpanakanto mpitendry matihanina sy fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny jazz avokoa ireo mpitsara, nahitana an’i Joro Rakotozafiarison, Bolo Rakoto David, Eric Rakotoary, Eric Rasoamiaramanana ary i Njaka Rakotonirainy. Mandra-pikonon’ireo mpitsara, nanafana ny sehatra ny tarika Dimy Nuée sy ny ekipan’i Anjara Rakotozafiarison.
Niara-dalana tamin’izany, nahitana mpandray anjara maro koa ny tany Toamasina. Nisongadina tamin’ny famaranana ny fiarahan-dry Azaria (vata maroafitsoka) , Josué (gitara), Patrick (gitara beso) ary i FabriJazz (aponga maroanaka). “Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana ireo tanora mpanakanto, izay tena manan-talenta eto Toamasina. “Hisaorana ny jazz Club Toamasina sy i Dida Randriamifidimanana, izay tena nanohana ny hetsika”, hoy i Tahina Vibe, iray tamin’ireo mpampiofana.
Zo ny Aina




