Famokarana faobe, tonga ao Vangaindrano. Tonga soa aman-tsara ao Vangaindrano ary hanaovana ny famadihana faobe ireo taolambalo miisa 1 080, an’ireo antesaka monina tany Maintirano sy Morafenobe, any Melaky. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny fikambanana Tesaka mirary le, miray marigny, no nahafahana nitondra ireto taolambalo ireto. An’ireo antaisaka izay valovotaka tany Melaky ireo, ka tonga ny fotoana fanomezana sehatra ny fihavanana.
Nahemotra ihany koa ny fanolorana ny loka “Mille espoirs Africains”. Saika hotontosaina ny sabotsy 27 septambra teo izy ity, ho fankasitrahana ireo tanora mpanoratra mamiratra aty afrika. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny handray ny lanonana fampahafantarana izay mendrika amin’ireo mpanoratra, saingy voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka izany. Mbola voatana hatrany kosa fa aty amintsika no hanaovana ny hetsika, rehefa milamina ny toe-draharaha.
“Alifasa jiro”. Hiran’i Big MJ vaovao, izay vao nivoaka izy ity. “Raha miteny mahazo tsiny, raha tsy miteny koa mahazo tsiny”, hoy ny nambarany. Nisafidy ny hiteny, hampita hafatra amin’ny alalan’ny hira ity mpanakanto ity. Anjara birikiny amin’ny fiarahamonina izao, raha ny nambarany. Maromaro ireo mpanakanto nisafidy ny nandray anjara amin’ny raharaham-pirenena, na akaiky na lavitra.




