Tafaverina, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Tsy manome tsiny izay nanao ireny zavatra ireny aho satria tena nilaina ireny. Raha misy ny alahelonareo dia alefaso aty amiko. Hamboarintsika tanteraka ny fitantanana ny firenena », hoy izy.
«Tsy maninona, alefaso aty amiko ny alahelo sy ny hatezeranareo fa zakaiko. Tsy ny fahefana no tadiaviko fa noho ny fitiavako ny vahoaka Malagasy.Tsy hamela anareo ho irery aho ka naleoko nody, na dia maro aza no niteny ahy fa tokony hijanona tany ivelany aho », hoy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Anosibe. Nisy ny fidinana ifotony nataony, nijerena ny zava-nisy, andaniny. Nentina nitondra ny teny fampaherezana ho an’ireo niharam-boina, lasibatry ny fandrobana, sy niharan’ny herisetra, ankilany.
« Hojerentsika izay azo hatao ho an’ireo izay rava fananana. Heno avokoa ny fitakiana koa manomboka izao, hojereko manokana sy hamboarintsika tanteraka ny fitantanana ny firenena. Hamafisina ny fitsinjovana misimisy kokoa ny vahoaka Malagasy amin’ny fitadiavana ny vahaolana amin’ireo maharary azy», hoy hatrany izy.
Mahakasika manokana ny famatsiana herinaratra, mbola nantitranteriny fa andalam-pamitana ny toby famokarana amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro. Hitondra ny anjara birikiny lehibe amin’ny famahana ny kirizy, fototry ny fitakian’ny tanora, izany.
Ifandrimbonana
Ankoatra ny teny Anosibe, nidina teny amin’ny toby miaramila an’ny Rezimanta voalohan’ny hery vonjitaitry ny Tafika Malagasy na ny 1er RFI Ivato, ny Filohan’ny Repoblika. Nitarika ny fampivondronana ny mpitandro filaminana rehetra eto an-drenivohitra izy, taorian’ny efatr’andro nisian’ny fitakian’ny mpidina an-dalambe sy ny fandrobana nataon’ny mpanararaotra. Nandritra izany no nanamafisany fa zava-dehibe ho an’ny vahoaka ny fijoroan’ny mpitandro filaminana ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Nanantintrantitra sy nanazava ny paikady hoenti-manome toky ny rehetra izy.
Marihina fa vao nigadona teto Madagasikara dia namory ny lehiben’ny mpitandro filaminana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Niaraka tamin’ny Praiminisitra, lehiben’ny Organe mixte de conception, Ntsay Christian, izy tamin’izany. Niara nijery ny fomba hamerenana amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka ny tomponandraikitra.
Fianakaviambe iraisam-pirenena.
Mangataka fifampidinihana sy fitoniana
Manoloana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao, eto Madagasikara. Mangataka ny fiaraha-mientan’ny Malagasy tsivakivolo ny Fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fikatsaham-bahaolana. Ny eo anivon’ny fivondronamben’ny Sadc dia nisy ny fanambarana navoakany, afakomaly. « Miantso ny hery velona rehetra izy ny hanangana sehatra ahafahana miresaka ka amoahanana fehin-kevitra iraisana. Miantso ny mpitandro filaminana hanao ny asany anatin’ny fomba matihanina izahay. Torak’izany ny mpanao fihetsiketsehana mba hanao ny fitakiana anatin’ny ara-dalàna sy filaminana ho an’ny tombontsoan’ny firenena », hoy ny fanambarana.
Ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara dia manentana ny hery velona rehetra mba hiroso amin’ny fifampidinihana, hiarahana mikaro-bahaolana. Manentana ny mpitandro filaminana izy ireo hamita ny iraka ankininy aminy anatin’ny maha matihanina tanteraka sy ny fanajana ny zon’olombelona. Etsy ankilan’izay, manasa ny mpanao fihetsiketsehana izy ny mba hanaovana izany anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny filaminana. Vonona ny hanampy ny governemanta malagasy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka.
Tsy mpitazam-potsiny ny zava-misy rahateo ny mpitondra fivavahana. Efa niaraha-nitatitra etoana ny fanambaran’ny raiamandreny ao amin’ny FFKM. Anisan’ny nangataka voalohany ny fifampiresahana izy ireo tamin’ny zoma lasa teo.
Miziriziry amin’ny heviny ny Gen Z
« Tsy mila fifampiraharaha izahay raha tsy tanteraka ny fitakiana hataonay », hoy ny fanambarana nataon’ny mpitarika azy ireo, omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mbola mangataka ny hamongorana ny kolikoly sy ny fanafoanana ny kitranoantrano izy ireo. Ary mba hitsinjarana araka ny tokony ho izy ny toerana amin’ny asam-panjakana ambony eto amin’ny firenena. Tsy mijanona amin’izay anefa ny fitakiana fa miitatra hatrany amin’ny fandravana governemanta sy ny mahakasika ny olana sosialy na toekarena sedrain’ny vahoaka.
Nisy ny fanentanana ataon’izy ireo amin’ny mpiray tanindrazana mba hifanome tanana sy hiara-dalana amin’ny hetsika atao manerana an’i Madagasikara. Toy ny nataon’izy ireo tao anatin’ny telo andro, hisy ny fidinana an-dalambe miaraka amin’ny fanamiana mainty
Mandry andriran’antsy
Ny fidinana an-dalambe mitohy, miasa ny mpitandro filaminana saingy anisan’ny mbola mitaintaina ny mpianatra madinika amin’izao fotoana izao. Mandry andriran’antsy ny ray aman-dreny, noho ny fifampizarazaran-kevitry ny tompon-tsekoly sy ny mpitantana. Misy ny mikiry mampianatra, misy ny manakatona sekoly, misy indray ny mampisafidy. Angatahina amin’ny minisitera mpiahy, araka izany, ny tondrozotra mazava tokony harahina mba hialana amin’ny fisavorovoroana sy ny fifanilihana andraikitra satria saro-pady ny aina sy ny tohana ara-tsaina ho an’ny ankizy. Araka ny vaovao farany azo omaly anefa, mianatra avokoa ny mpianatra manomboka anio.




