Nifona tamin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta napetrany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Noravany, halina izany. Ho fantatra anatin’ny 72 ora izay ho mpandimby ny praiminisitra Ntsay Christian.
Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa henony ny fitakiana ary nifonany raha misy tsy nahavita ny andraikiny ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy namaly ny fitakiana ary tsy nihaino ny kiakiaka ary tabataba. « Koa araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, And 54, hatsahatra amin’ny asany ny governemanta », hoy izy. Tsiahivina fa Praiminisitra, lehiben’ny governemanta naharitra indrindra i Ntsay Christian. Nanomboka ny 4 jona 2018 izy no nitondra ny governemantan’ny marimaritra iraisana. Voatana hatrany tamin’izany toerana izany ny tenany tamin’ireo governemanta nifandimby tao anatin’ny fito taona.
Na izany aza, mbola mampandeha ny asa andavanandro ireo am-perinasa mandra-panendry ny governemanta vaovao. Hivoaka afaka telo andro ny anaran’ny ho praiminisitra ary omena fe-potoana hananganana ny governemanta. Na izany aza, nametraka fepetra ny filoham-pirenena fa governemanta hiasa sy hikatsaka ny tombontsoan’ ny vahoaka izany. Hanafaingana ny fanasoavana ny Malagasy. Eo koa ny fahaiza-manao sy ny traikefa ary vonona hitondra fanovana.
Momba ireo orinasa sy ireo very asa kosa, hisy fepetra manokana hanampiana azy ireo. Eo ny fampindramam-bola amin’ny banky ka horaisin’ny fanjakana ny zanabola. Hofoanana koa ny fandoavan-ketra.
Sehatra ifanakalozan-kevitra
Noresahin’ny Filoha Rajoelina Andry ny Jirama. Nambarany fa efa mamaha olana ny fanjakana amin’ny fametrahana toby famatsiahana herinaratra avy amin’ny masoandro. Niaiky ny tenany fa olana tamin’ny Jirama ny tsy fisian’ ny mangarahara sy ny serasera. « Hanova fomba fiasa isika ary hifampihaino hijerena ny olana », hoy izy. Anisan’ny dingana ataony ny fifampiresahana amin’ireo raiamandreny am-panahy sy ny tanora. Ireo mpianatry ny Oniversite sy ny tsy an’asa. Hovahana ny olan’ny mpianatry ny Oniversite, toy ny trano…
Niantso ny fitoniana ny filoha ary namaritra ny laharam-pahamehana amin’ny famerenana ny fandriampahalemana ka tsy ananana indrafo ireo manakorontana, mandroba… « Hosokafana ny sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ny tanora, hiresahana ny raharaham-pirenena mba tsy hisy ho very anjara amin’ ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy.
Nohitsiny koa fa hanaja hatrany ny Lalàmpanorenana ny tenany noho ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny. « Tsy misy resaka fitiavam-pahefana sy voninahitra fa hanompo vahoaka », hoy izy.
Synèse R.




