FANTINA sy FINTINA

Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handrai­sana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra.
Nahemotra ho amin’ny 8 ora alina ny tsy fahazoana mivezivezy « Couvre-feu », raha tamin’ny 7 ora hariva izany teo aloha. Afaka mivoaka kosa amin’ny
4 ora maraina, raha tamin’ny 5 ora izany teo aloha. Tapaka izany tamin’ny fivorian’ny eo anivon’ny OMC, omaly. Anton’izany ny efa fivoaran’ny toe-draharaha, amin’izao fotoana izao.
Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Zely Randriama­nan­tany, ao anatin’ny 48 ora, ny sendika Triade, ivondronan’ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy ary mpandraharaha. « Nitotongana tao anatin’ny fitantanany ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara», hoy izy ireo.
Mivadika ho tolom-bahoaka manomboka izao ny hetsika, araka ny fanambaran’ireo mpianatra Gen Z, omaly. Tsy ekena koa ny herisetra tahaka ny fisamborana, fandratrana sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. « Miantso ny rehetra mahatsapa izao fampija­liana izao hanatevin-daharana anay », hoy izy ireo.

Partager sur: