Nampita hafatra sy naneho fisaorana, taorian’ny nampitsaharana ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitra teo aloha nisahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina.
Mazava ny fanehoan-keviny tamin’izany. «Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay hatrany ny fandrosoan’ny firenentsika», hoy izy. Nialoha izany, nitondra fampahatsiahivana vitsivitsy ny tenany ka nambarany fa herintaona sy sivy volana no nitantanany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. «Fotoana nahafahako nianatra sy nahita zava-baovao maro izany, na teo amin’ny lafiny maha olona, na teo amin’ny asa teny ifotony», hoy izy. Nampiseho izany fa tena anisan’ny antoky ny fampandrosoana ny firenena ny fanajariana ny tany sy ny anjara toeran’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, araka ny nambarany.
Naneho fisaorana manokana ho an’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra teo aloha, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, noho ny fitokisana napetrak’izy ireo taminy, tamin’ny fanatanterahana andraikitra nosahaniny tao anatin’ny taona iray mahery, araka ny nambarany hatrany.
Maro ny dingana vita…
Nankasitrahiny koa ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka niara-niasa sy nanohana. «Maro ireo dingana efa vitantsika, nefa mbola maro ihany koa ireo asa lehibe miandry. Matoky aho fa hitohy ny ezaka efa natomboka sy ny rafitra efa napetraka, ho tombontsoan’i Madagasikara sy ny fampandrosoana maharitra», hoy izy.
Tsiahivina fa efa nisahana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny koa ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, tamin’ny governemanta voalohan’ny filoha Rajoelina Andry. Voafidy ho ben’ny Tanànan’Antananarivo avy eo ary voatendry ho minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana.
Synèse R.




