Teti-panorona

 

Maty paika ny zava-drehetra, fa ny vahoaka no mora lalaovina? Asa mety ho marina sa ho diso izay fanontaniana mahakasika ny fivoaran’ny raharaha politika, ankehitriny, izay? Raha ny zava-nitranga, omaly, aloha dia misy trangan-javatra maromaro ilana fanadihadiana lalina. Toa misy sokajin-kery maromaro izany any anatin’ny mpidina an-dalambe sy ny mpanao fitakiana.
Tsy vitan’izay fa toa hita taratra avy ety ivelany ihany koa ny fivakisana anatin’ireo mpanohana ny fitondrana. Ohatra ny hafahafa izany ny mahakasika ny baiko miaramila. Hita toa mifanipaka izany. Sanatrian’ny vava, misy manao fanahy iniana izany, handrehitra misimisy kokoa ny afo. Baikoin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra ary fankafizana vola.
Mila samy mitandrina anefa ny olom-pirenena rehetra. Iray ihany ny tanjona sy teny baiko tokony hoventesina dia ny “ny ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka”. Na inona na inona firehana, tsy tokony hisy tafiditra any anatin’ny vela-pandriky ny mpampiady an-trano sy ny tsy mikatsaka ny soa ho an’ny besinimaro.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, tsy tokony hisy ny mandrimandry manana aretina ka ho roboka amin’ny fitarihana mankany amin’ny maizina. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fitotonganan’ny firenena any an-kady. Mila mijoro amin’ny rariny sy ny hitsiny, anatin’ny fahamarinana sy ny mety ho “ fahamasinana”, arakaraka ny finoany ny tsirairay.
Hatreto, marary sy potraka an-tany i Madagasikara. Mila mijoro ho amin’ny fanarenana fa tsy sanatria mbola hanampy trotraka sy hanipy menaka ambony afo. Tsy atao antoka amin’ny kajikajin’olom-bitsy ny hoavin’ny taranaka fara mandimby. Mendrika ho avy mamirapiratra ahafahany mivelatra sy mitombo am-pahamendrehana izy ireo. Mila miray saina amin’izay tiantsika hiainana isika mianakavy.

r.r

Partager sur: