Nanao fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Nametraka fitakiana izy ireo tamin’izany.
Nambaran’ity fiarahamonim-pirenena ity fa heno matetika eny an-kianja sy hiakan’ireo mpitolona ny rafitra. «Mila hatsaraina mihitsy ny rafitra rehetra ary efa nodradradrain’ny KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena hatrizay», hoy izy ireo, omaly.
Nanterin’ny fanambarana fa tokony havela hanatanteraka fanehoan-kevitra ankalalahana ny olom-pirenena.
Na izany aza anefa, manao antso avo ity fikambanana ity fa hany lalan-tokana hizorana mankany amin’ny fitoniana ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana hatrany. Nohelohin’ny KMF/Cnoe ny herisetra amin’ny endriny rehetra, ny fandratrana, ary indrindra ny fandatsahana aina.
Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe ny 25 septambra teo, ary nampahatsiahy fa zo ny maneho hevitra, aina ny rano, miantoka fiveloman’olona maro ny herinaratra. Efa natsidik’izy ireo fa ilaina ny fifampiresahana an-kitsim-po. Efa nanambara koa ity fiarahamonim-pirenena ity, tamin’
izany, fa manameloka ny fampiasan-kery izy ireo ary niantsoan’ny KMF/Cnoe ny tokony hifampihainoana hatrany, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




