Tonga nampahery ny fianakaviana ary naneho ny fiaraha-miory noho ny fodiamandrin’ny depiote Rabenirina Jean Jacques, voafidy tany Betioky, ireo depiote sy ny birao maharitra. Nentina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny nofo mangatsiakany rehefa avy nentina tao amin’ny FLM Mahalavolona, natrehin’ireo mpanao politika mpanohitra.
Anisan’ny nankasitraka ny filoha Rajoelina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Volamiranty Mara Donna. Nambarany fa feno fahendrena sy fanetren-tena izany fanapahan-kevitra nandravana ny governemanta izany. «Nametraka ho ambony ny tombontsoam-pirenena… Isaorana ny praiminisitra sy ireo minisitra namana…», hoy izy.
Nanamarika ny hetsika, omaly, ny nahatazanana ireo mpanakanto maromaro teny an-kianja. Nifanohana sy niara-nitolona amin’ireo Gen Z izy ireo. Anisan’izany ry Ambondrona, Oladad, tarika Hasina, Stèphanie… Naneho ny firaisankina amin’ny fitakiana sosialy, itoviany amin’ny olom-pirenena avokoa izy ireo.
Tsy azo ihodivirana ny fanovan-drafitra sy fiovam-penitra mahery vaika ara-kolontsaina sy ara-pahaizana ka hanomezan-kasina ny fiverenana an-doharano, araka ny fanambaran’ny Seces, omaly. Niantso ny hery velona rehetra izy ireo hiaraka hanavotra ny firenena. Nankasitraka ireo «Zanaka namaky lay» amin’izao fijoroany ho an’ny firenena izao izy ireo.




