“Au chant des sirènes”. Fikambanam-behivavy manan-talenta, samy manana ny kanto voiziny avy izy ity : Magali Grondin, Faragasy ary Chacha. Nahazo tohana ho an’ny famoronana miaraka izy ireo, ka teraka teo ny « Kabarim-behivavy ». Fanehoana kanto marolafy, mivoy hevitra mafonja ary hampitan-kafatra izy ity. Haka endrika fampirantiana, arahina fanehoana zavakanto izany, izay hisokatra ho an’ny besinimaro ny sabotsy 4 oktobra izao, ao amin’ny AFT Andavamamba.
Hifangaro ao ny dihy, ny hira ary ny hairaha amin’ny endrika amam-bika. Havadika ho sehatra politika ny toerana, hanehoan’ireto vehivavy ireto ny hafatra anaty zavakanto. « Kabarim-behivavy », izay toa tsy nomena lanja teo amin’ny fiarahamonina malagasy, kanefa afaka mandona sy manova fomba fijery. Hanehoana ihany koa fa ny zavakanto tsy fampialana voly fotsiny, fa afa-manova ny fomba fisainana hitondrana ny fiarahamonina ihany koa.
Marihina fa natao hamoahana forona miaraka toy izao ny « bourse à la création 2025 », izay nomena ny “Au chant des sirènes”. Raha sanatria tsy mbola milamina ny toe-draharaha amin’io fanokafana io, hahemotra ihany koa ity hetsika ity, saingy tsy maintsy hisy koa.
Zo ny Aina




