Misesy ihany ny fanafoanana hetsika sy seho ara-javakanto. Nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny mi’Ritsoka Production fa hahemotra ny fampisehoana tokony hotontosain’i Lalatiana, ny 19 oktobra, eny amin’ny CCI Ivato. Saika hanamarihiny ny faha-50 taona nihirany izy ity sy ho fihaonana indray amin’ireo mpankafy an’i Lalatiana. Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona, ka miandry indray ny daty manaraka ny rehetra. Voatazona hatrany kosa ny seho izay hotontosainy atsy amin’ny Nosy La Réunion, ny 11 oktobra.
Mihemotra ihany koa ny « Star Tour Toamasina ». Tokony hanombohana ny « Oktoberfest » ity hetsika goavana ity, ny faran’ny herinandro izao. Satria ahitana fihetseham-bahoaka koa any an-toerana, tsy maintsy noraisina izao fepetra izao. Miankina amin’ny tohin’ny raharaham-pirenena ihany no ahitana raha mbola hisy ihany fa hahemotra fotsiny, na ho foana mihitsy ny « Oktoberfest » sy ny « Star Tour » Toamasina, izay hany tsy vita tamin’ity taona ity.
« Tsy fotoan’ny fifanomezam-tsiny intsony izao », hoy i Dadi Love. Anisan’ireo nisafidy ny hanatsahatra ny fampisehoana rehetra kasainy hotontosaina ato ho ato koa izy. Maro amin’izy ireny no efa vita fifanarahana amam-bolana maro mialoha, mandra-pilamin’ny toe-draharaha. « Samy niaraka nizaka fijaliana isika rehetra, ny vahoaka no mamelona anay mpanakanto ka raha sahirana ny vahoaka dia taraiky koa izahay », hoy izy.




