Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo
«Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny tranga niseho tamin’ny filohan’ ny Holafitra, Monica Rasoloarison, tonga teny an-toerana. Nazava ny nambaran’ireo mpanao gazety fa samy manao ny asany ka tokony hifanaja amin’ny fotoana tahaka ireny. Nambanana basy mifahana raha mba hifampiresaka. Avy eo koa tsy hita ny tena lehibe mpitarika ireo mpitandro filaminana.
Nanambara ny filohan’ny OJM fa tsy mora ny sedra amin’ny fandrakofana hetsika tahaka izao ka helohin’izy ireo ny herisatra atao amin’ny mpanao gazety, na avy amin’ iza na avy amin’iza. Notsiahiviny fa misy lalàna mifehy amin’ny fahazoan’ny mpanao gazety fiarovana eo am-panaovana ny asany. «Eo koa ny lalàna mandrara ny fanapotehana sy fanagiazana ny fitaovana.. Manaja ny rafitra demokratika isika ka anisan’izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety», hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra sy fanitsakitsahana ny zon’ny mpanao gazety. Atsaharo izany fa voararan’ny lalàna, araka ny nambarany. Niantso ny rehetra koa ny OJM mba tsy hanavakavaka ny mpanao gazety. Natsidiny fa mety ho tonga amin’ny fidinana an-dalambe ny raharaha raha mbola mitohy izao. Mbola hanao ny dingana rehetra sy ny fifampiresahana ary ny tatitra amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana koa anefa ny biraon’ny OJM.
Synèse R.




