Miara-mitempo amin’ny aty Madagasikara ny fon’ireo mpiray tanindrazana any ivelany. Anisan’ireny i Aina Cook, izay hanokana fampisehoana ho fanehoana firaisam-po amin’ny Malagasy rehetra, anio amin’ny 8 ora alina, any Paris. Haka endrika fifanakalozana kokoa, na dia eny an-tsehatra aza, i Aina sy ireo mpitendry hanaraka azy. Ilay hampiray ny rehetra amin’ny alalan’ny mozika, tsy hahalavitra ny tany nihaviana mantsy no tena tanjona. Hisy ampahany amin’ny vola azo rahateo hanampiana izay mety mila izany, amin’izao toe-draharaha izao.
Tsiahivina fa lany avokoa ny tapakila, herinandro mialoha ilay seho nataon’i Aina Cook tao Paris, ny alahady lasa teo. Sady fotoana homeny ho an’ireo tsy afa-nanatrika sy ireo tsy afapo ihany koa ity anio ity. Nentin’i Aina Cook tany amin’ny tontolony, tanatin’ny mozika maroloko, tsy misy fefy kanefa maneho hatrany ilay ra malagasy mikoriana ao anatiny izany. Misalovana teo foana ireo hira malagasy sy tantara niainany taty Madagasikara. Nentiny nitety firenena maro izany, ary mbola ireharehany hatramin’izao. Antony iray tsy hanadinoan’ i Aina Cook ireo mpiray tanindrazana miatrika ny krizy amin’ izao fotoana izany.
Zo ny Aina




