Tsy mena-mitaha amin’ireo tanora maneran-tany ny tanora malagasy, amin’ny lalao Tekken. Porofon’izany, manana solontena telo be izao, mandritra ny « Cape Tozn Shotdown » ny ekipa SLY, ahitana an’i Nioh, Manounou ary i Haja. Efa any Afrika Atsimo izy ireo, miatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena, izay
« Tekken World » aty Afrika ity. « Na eo aza ny zava-misy eto amin’ny firenena, mila ny fanohanantsika ara-moraly izy ireo. Hiatrika ireo mpilalao mahay indrindra maneran-tany ireo solontenan’i Madagasikara ireo », hoy ny nambaran’ny fikambanana Tekken Madagasiakara. Nanome sehatra nifantohana, nizarana ary namiratana an’ireto tanora hifaninanana ireto ny fikambanana. Vokatry ny asa maro nisesy, izay narahina fanohanana avy amin’ny sehatra maro izany, mba hiandrandran’ny ekipa malagasy vokatra tsara.
Nanambara kosa i Kayanne, ilay mpilalao sy mpanentana matihanina amin’ny Tekken, fa manaraka akaiky ny toe-draharaha misy eto Madagasikara izy. « Miresaka foana an’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ireo izay mifanerasera amiko aho. Tsapako ny zava-misy iainan’ny Malagasy satria nandritra ny fandalovako, niaina fahatapahan-jiro, tao anatin’ny fifaninanana mihitsy izany, ary voatery nahemotra ny ampitso fa tsy vita », hoy i Kayanne. Tokony hiverina aty Madagasikara mantsy izy, saingy voatery hahemotra amin’ny taona ho avy izany noho ny zava-misy. « Manohana hatrany ny tanora malagasy aho. Na dia eo aza ireo olana marobe sedrainy, tsara hatrany ny vokatra ho azy ireo », hoy hatrany ity olo-malaza maneran-tany amin’ny Tekken ity.
Zo ny Aina




