Mitobaka ny fanambarana avy amin’ny sokajin’olona samihafa, ho fikatsaham-bahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara. Miantso fifampiresahana ialohavana fampitsarahana herisetra ny rehetra.
Mivoaboaka tsikelikely ireo fikambanana na vondrona mitaky ny fampitsaharana ny herisetra. Torak’izany ny vovonana samihafa, mangataka ny fifampiresahana malaky amin’ny mpiantsehatra tafiditra amin’ilay disadisa misy ankehitriny. Nanao fanambarana fanindroany, omaly, ny fianakaviamben’ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika. Mbola nanamafy izay fikaroham-bahaolana anatin’ny fifanakalozan-kevitra sy eken’ny besinimaro izay izy ireo. Ny mpitondra fivavahana ireny efa nanao ranolava.
Ankoatra ireo, nisy ihany koa ny fanambarana niraisan’ny firaisamonim-pirenena. Notakin’izy ireo ny hamadihana ho asa mivaingana ny fanambaran’ny Filoham-pirenena. Tokony ho porofoina fa tsy kobaka am-bava na fampanantenana poakaty intsony izany, araka ny tatitra. “Atsahatra avy hatrany ny fampiasana hery famoretana, fanenjehana mandritra ny tolona am-pilaminana ataon’ny tanora sy ny olom-pirenena. Tsy ekena ny fampiasana hery tsy mitovy ataon’ireo zandary, hanampenam-bava ny fitakiana ara-drariny”, hoy izy ireo.
Manery ny fitondram-panjakana hanome malalaka ny fahafahana manao fihetsiketsehana an-kalamanjana izy ireo. Mampahatsiahy koa fa tokony hiaro ny olom-pirenena, ny mpanao gazety ary ny fananam-bahoaka sy olon-tsotra ny mpitandro filaminana. Notakin’izy ireo ny hamoahana tsy misy hatakandro ny voasambotra na voahidy noho ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika am-pilaminana.
Manome vahaolana
Mitsipaka ny sarintsarim-bahaolana na amin’ny ampahampahany atolotry ny mpitondra, ireto fikambanana na vondrona an-jatony namoaka fanambaranana, omaly, ireto. “Takinay ny fiovana feno sy maharitra ho an’ny firenena, manoloana ny tsy rariny mitarazoka, ny kolikoly mihanaka, ny fanararaotam-pahefana sy ny tsy maty manota”, hoy izy ireo.
Mbola nanentana ny hery velona rehetra ho sahy hijoro sy hanatevin-daharana ny tolona ilay fanambarana. Nidera manokana ny herim-po, ny herin-tsaina, ny fahendrena sy ny firaisankinan’ny tanora mitaky fiovana am-pilaminana izy ireo.
Synèse R.




