Nivoaka tamin’ny fahanginany, herinandro aty aorian’ny nipoahan’ny hetsiky ny tanora, ny eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). « Aoka hifady ny herisetra sy ny fanakorontanana ary ny fandravana fananana amin’ny endriny rehetra », hoy izy ireo. Anisan’ny nitodihan’ny fanambarana koa ny Hery fiarovana sy ny filaminana (FDS). « Aoka mba tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany ianareo. Tsy hampiasa hery sy fitaovam-piadiana raha tsy amin’ny fotoana farany, tsy azo ialana ka handanjalanjana izany, araka ny fenitra voalazan’ny lalàna », hoy izy ireo. Nentanin’ny HCDDED koa ny mpitandro filaminana hanome lanja ny asan’ny hafa manao ny andraikiny eny an-kianja. Anisan’izany ny mpanao gazety, mpamonjy voina, mpitsabo…
Notsiahivin’izy ireo fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny HCDDED ka miantso ny rehetra mba haneho hevitra am-pilaminana sy am-panajana ary araka ny lalàna. Nohitsin’ity rafitra iray ity koa fa tsy mifanaraka amin’ny soatovina malagasy ny fifampihantsiana, fifandrangitana, ny fanimbana fananan’olon-tsotra na fananana iombonana.
Notsiahivin’izy ireo fa anisan’ny singa mandrafitra ny demokrasia ny fanehoan-kevitra am-pilaminana ka tanterahina ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny tombontsoan’ny besinimaro. « Miaina izany demokrasia izany rehefa manome aina azy isika ka aoka samy handray am-pitiavana ny manandrify azy », hoy ny HCDDED.
Synèse R.




