Tsikaritra fa manomboka mahazo vahana ny dika vilan’ny « fialamboly ». Tsy tahaka ilay niforonany tany am-piandohana fa nanjary naka endrika « fety ». Fandrebirebena sy famotehana ny hasina maha olona ?
Fahiny, raha niala voly vokatry ny asa (nanenona, namboly…) ny Malagasy. Nanao izay ahazoany aina sy fahalalana vaovao sy hafa tamin’ny alalan’ireo lalao fanitaran-tsaina, fitaizam-batana ary fikoloana ilay fanahy maha olona. Anisan’izany ny filalaovana fanorona na katro na ankifidy na fanatikira na fitendrena valiha… Taty aoriana, nisy ny fijerena adin-kiragasy. sns. Ny ankamaroan’izy ireny (na izy manontolo mihitsy aza), tsy nisy nandaniam-bola fa ny samy mpiara-monina ihany no manatanteraka izany teo amin’ny toerana niraisana tahaka ny tokontany, kianja…
Ankehitriny, niala voly, hono, Ramalagasy, satria, Paka ny andro. Ala voly ve no natao dia hareraham-batana sy saina ary fanahy indray no azo avy eo? Nanao na nanatanteraka « fety » ny Malagasy fa tsy niala voly, izany. Ny tranga tahaka itony no anisan’ny manimba ny teny malagasy. Tsy tokony ho zarina sy tezaina amina « fety » ny tanora. Raha io amin’ny endriny namolavolan’ny vahiny azy io. Tsy mendrika sy tsy sahaza ny lamina voajanahary iainan’ny Malagasy ny « fety ». Raha tsiahivina, natao namalifaliana ny olona (na ny vahoaka) mba hanadinoany ny fahoriana « nampitondrana » azy no nilan’ny « mpanjanaka », ny « fety ». Nobobohany toaka, natsofony lalina anaty filokana mba hiandrandra kisendrasendra eo amin’ny fiainana, sns. Voakorontana sy voavily lalana ilay fahendrena lalina ananan’ny Malagasy… Tsy ampy fialamboly ny Malagasy.
Mila hamaroina ireo toerana ahafahan’ny Malagasy miala voly. Tsy voatery ho eny an-tanàn-dehibe ihany no hanaovana izany fa manerana an’i Madagasikara, mba tsy hivarilavo amin-javatra hafa ka hitaky na hanao « fety » isan’andro.
HaRy Razafindrakoto




