Nifamory maika tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto, Mahamasina, omaly ny mpanakanto. « Andriamatoa Filoham-pirenena, ianao no filoha ambonin’ny Tafika. Mijoro izahay artista, izay tsy misy raha tsy ny vahoaka. Nahita ny zavatra nitranga teny an-kianja izahay nialoha izao. Anisan’ny niadivanao ny fahafahana amin’ny fanehoan-kevitra, mangataka anao manokana izahay, sokafy ho an’ny tanora, andro iray fotsiny, ny Kianja manan-tantara eto amin’ny firenena, na ny 13 mey na ny eny Ambohijatovo. Andro iray monja no angatahinay. Miangavy koa izahay amin’ny tanora mba ho am-panajana ny fomba entina maneho hevitra amin’izay fotoana izay », hoy i Bodo, nitondra ny tenin’ny mpanakanto.
« Noho ny raharaham-pirenena mitranga, fantatray fa mihaino anay foana ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Nanapa-kevitra izahay fa hanao taratasy ara-dalàna mankany amin’ny tomponandrakitra mahefa rehetra eto Madagasikara, hitondra ny fangatahana », hoy kosa i Théo Rakotovao. Namafisin’izy ireo fa ny maha olona no itsanganan’ny mpanakanto, ho fanoherana ny herisetra sy ny tsy fahafahana miteny an-kahalalana manerana an’i Madagasikara.
Nahatsapa ny mpanakanto fa manana adidy manoloana ny zava-mitranga. Tsy misy ny fifampihainoana eo amin’ny zanaka sy ny raiamandreny. Hijoro sy handroso vahaolana ny mpanakanto. Samy mahatsapa rahateo fa mpitondra hafatra izy ireo. Vetivety rahateo dia tafita amin’ny olona kendrena izany.
Ankoatra ny mpitondra teny maro ny mpakanto teny an-toerana. Nanotrona azy ireo ny « influenceurs » sy ireo mpanakanto amin’ny sehatra ivelan’ny mozika.
Zo ny Aina




