Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara, amin’izao. Korontana, ady… “Tsy misy korontana sy ady ary ifandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana”, hoy ny tafan’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoaka.
“Tsy misy korontana sy ady ary fandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana eo ambony latabatra. Izay no niantsoako ny ankolafin-kery sy mpitondra fivavahana ary fianakaviambe iraisam-pirenena.” Io ny tafan’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoaka, omaly. Fitakiana momba ny jiro sy ny rano tany am-piandohana, lasa fandrobana sy fandravana ary fandoroana fananan’olona. Hamerina ny fandriampahalemana ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana. Manao antso avo ho an’ireo mpomba sy miaro ny demokrasia izy, maro no te hitroatra sy tsy mahazaka ny zava-misy. “Raha haneho hevitra, ataovy ao anaty fitoniana sy filaminana, fa tsy amin’ny fandravana sy korontana”, hoy izy. Azo atao amin’ ny toerana misy ny tena izany, fa izay ny demokrasia.
Misy ny azo alaina amin’ny fifidianana ny demokrasia, izay mahazo ny maro anisa no omen’ny vahoaka hitantana ny firenena mandritra ny dimy taona. Afa-miteny raha tsy afapo. Ny fialan’ny filoha izao ny fitakiana, fa afa-manao izany koa izay nifidy ny filoha: miaro azy ao anatin’ny filaminana hisian’ny fitoniana. Maro ny miasa, fa manao izany ao anatin’ny fitaintainana. Tsy voatery atao eny an-dalana ny fitakiana. “Vonona aho hihaino: ahoana ny hitondrantsika an’ ity firenena ity, inona ny tokony harenina, inona ny lesoka rehetra hapetraka?”, hoy ihany izy.
Efa niteny ny Banky iraisam-pirenena fa sanatria misy fanovana fitondrana tsy manaraka lalàmpanorenana, miato ary foana avokoa ireo tetikasa rehetra novatsian’ireo mpiara-miombon’antoka. Ao anatin’ izany ny momba ny rano. Raha izao no latsaka ao anaty krizy i Madagasikara, mihemotra any amin’ny 10 na 15 taona any ny fandrosoana. Tsy misy maniry an’izany.
R. Nd.




