Naneho hevitra ny avy amin’ny antoko ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambarany fa hetsi-
bahoaka izao ka tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha. Nitsangana ny vahoaka malagasy
rehefa tena reraka sy leo ary tapa-kevitra. « Asesiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho amin’ny fiovana marina izany », hoy izy.
Naneho hevitra ny depiote teo aloha, Voninahitsy Jean Eugene. Nambarany fa fahendrena ny fametraham-pialan’ny filoha Rajoelina Andry, mba tsy hampitombo ny fahavoazan’ny firenena. Nanteriny koa fa manohana ny tolon’ny Gen Z izy. Nentaniny ireo tanora tsy hiditra anaty governemanta. « Famadihana ny tolona izany », hoy izy.
Tsy handray olona hampidirina am-ponja ny Sendikàn’ny mpandraharahan’ny fonja ato anatin’ny 72 ora, manerana ny Nosy. Hotohizan’ireo izany mandra-pitsangan’ny governemanta ka anisan’ny takin’izy ireo ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana manokana hiadidy ny fandraharahana ny fonja.
Niantso ny mpikambana RMDM rehetra ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, mba handray anjara amin’ny tolona. Takin’izy ireo koa ny hamoahana tsy misy hatak’andro an’ireo nosamborina rehetra. « Vonona izahay ny hamaly ny antson’ny vahoaka. Miantso kosa anefa ny fihaonana maika hamahana olana », hoy izy ireo.




