Hatramin’izao, tsy mbola nisy afaka nanome porofo mazava fa tsy misy ny tody. Na, tsara na ratsy ny atao, manody avokoa. Rehefa milofo, tody any amin’ny tanjona tian-kotratrarina ihany na ho ela na ho aingana.
Ho an’ny teny malagasy, « tody ». Ho an’ny teny vahiny, « karma ». Samy tamberin’ny zavatra natao na ny ratsy na ny tsara. Tao anatin’ny angano malagasy. Ratany no tompon’ny vatana. Zanahary kosa no tompon’ny aina. Nifantoka tamin’ireo anton-javatra roa ireo (fisian’ ny tody sy ny maha tompon’ny aina an’Ilay Nahary) ny nitaizan’ny Malagasy ny taranany. Vokatr’izay, nitandrina sy nandala fatratra ny hasin’ny aina izy. Na ny namono biby aza tsy nataony. Raha voatery nanao izany, nangataka tamin-Janahary.
Rehefa ny tody no takona. Manao izay hitsin’ny sainy ny olona. Aminy, na an-drariny na tsia. Na, hanaraka ny hitsiny na tsia. Na, handatsahana aina na tsia. Na, hanambakana olona na tsia, sns. Azo atao avokoa, satria, tsy misy ny tody. Nanjary anaty nofinofy sisa ny fahafantaran’ny Malagasy ny tody. Indraindray, tadidiny ny fisiany. Fa matetika, very an-javony fotsiny ihany.
Misy tokoa ny « tody »
Misy ny « tod » na « tonga », tokoa, eo amin’ny dingana na tanjona tiany ho tratrarina ireo mihevitra fa « tsy misy ny tody ». Nanjary manana fahefana lehibe. Manam-bola be. Tsy refesi-mandidy. Manao izay tiany hatao. Tsy misy mahasakana amin’izay rehetra tian-katao, sns. Mety tsy henjehin’ny eritreriny, satria, aminy, tsy misy ny tody.
Misy tokoa ny « tody », satria, tsy vitsy amin’ireny tsy mahafantatra (na minia tsy mahalala) ny fisiany ireny no itambesaran’ny nenina. Ivangongon’ olana. Manan-taranaka tsivanombanona…
Antony iray tsy mahafak’ olana an’i Madagasikara sy ny Malagasy io fisian’ny « tody » io. Manody azy ny hatsirambina nataony. Ny famadihana tanindrazana. Ny fanariana ny soatoavina. Ny famingavingana ireo raiamandreny. Ny fanariana ilay hasina na ilay fanahy maha olona… Ny tsy azo lavina, misy tokoa ny tody. Sarotra zakaina izy io raha, sanatria, ka arahin’ozona.
HaRy Razafindrakoto




