Tsy misy iray isan-trano akory : Mbola tsy manan-danja ny hosodoko

Na tsy maro tahaka ny mpanakanto eo amin’ny ton­tolon’ny hira aza ny mpanao sary hosodoko eto Madaga­sikara. Mahasarika ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora any am-pianarana ny mianatra azy ity. Tsy vitsy rahateo ireo se­koly mampiditra ny taranja hosodoko hoenti-mampi­tombo ny fanabeazana maha olona ao aminy.
… Hatramin’izao, anefa, mbola tsy manan-danja manoloana ny tontolon’ny zava­kanto sy ny fiarahamonina malagasy ny sary hosodoko. Andaniny, tsy mbola maha­velona ireo izay manao azy. Ankilany, mbola tena vitsy ny tokantrano malagasy manana hosodoko iray ao aminy, raha dimy izany ho an-dry zareo An­glisy. Fito ho an’ny Ame­rika­nina.
… Iray amin’ireo zavakanto miadam-pamindra ny sary hosodoko ho an’i Madaga­si­kara. Lesoka ny tsy faham­pian’ny sekoly voatokana ha­m­pianarana azy. Eo koa ny fahalafosan’ireo akora sy fi­taovana hoenti-manatontosa hosodoko, izay miteraka fiakaram-bidin’ny tabilao vita. Ny fahefa-mividy ananan’ny Ma­la­gasy, anefa, ambany.
… Anisan’ny mampiavaka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy ny fananana aingam-panahy haneho ny tontolo voajanahary, indrindra fa ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manasongadina ny tranogasy, tambohogasy, eto Imerina. Eo koa ireo toerana manan-tantara, sy tontolo iainana voajanahary, sns. Fan­tatra fa anisan’ny mahasarika vahiny fatratra ireo endrika ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: