Fitantanana eny ifotony: Mijery lavitra ny hoavin’ny kaominina ny MFFT

Nanatanteraka fivoriana niarahana ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny Sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany ny minisitera (MFFT). Tan­jon’izany fihaonana izany ny ho fiomanana sahady amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny tanàn-dehibe manoloana ny fivoaran’izy ireo amin’ny hoavy. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa tsikaritra ho tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny ny sokajy napetraka rehetra teo aloha. « Araka izany, ilaina ny fanavaozana ny masontsivana hampiharana ho amin’ny fanasokajiana izany », hoy izy ireo. Natao izany mba hahitana indrindra ny fanomezan-danja ny fotodrafitrasa, ny herijika ara-toekarena eny ifotony ary koa ireo loharanon-karena ananan’ny kaominina.
Tsiahivina fa efa nisy ny fandinihana niarahana tamin’ ny mpamatsy vola, eo anivon’ ny Banky Iraisam-pirenena momba izany. Mitohy amin’ny fanatanterahana izany izao amin’ny lafiny ara-panjakana, mba hifanaraka amin’ny filan’ ny vahoaka sy ny eny ifotony. Anisan’izany ny eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny amin’ny faritra sy ny minisitera. « Mba ho hita mazava tsara ny asany any anatin’ny politika-panjakana rehetra », hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: