Manameloka ny herisetra atao amin’ny tanora ireo ray aman-dreny ao Mahajanga ary manahy fampisaraham-bazana ny samy mpiray tanindrazana, araka ny nambaran’izy ireo ny sabotsy teo. «Ny fihetsiky ny mpitondra niatrehana ny fitakiana zo nataon’ ireo tanora. Fotoana izao handinihana ny fampitoviana ny fifampitondra ny rehetra», hoy izy ireo.
Mitombo hatrany ireo mpanohana ny tolona ho an’ny ao Toamasina. Niditra an-tsehatra koa ireo antoko politika sy fikambanana samihafa, manohitra izao fitondrana izao, ankoatra ireo mpianatra sy ny tanora Gen Z. Voatazona tao anaty filaminana hatrany ny hetsika ny faran’ny herinandro teo na niakatrakatra aza ny maripana.
Miantso ny vahoakan’i Toliara hanohy ny hetsika, anio, ny Hetsiky ny olom-pirenena «Hop» hanatevin-daharana ny tolona. Nambaran’izy ireo koa anefa fa misy tomponandraikitry ny kaominina Toliara manao ezaka handravana ny tolon’ny tanora amin’ny fizarana vola. Niseho izany ny zoma teo, araka ny nambaran’izy ireo.
Samy nanao hetsika avokoa ireo Malagasy any am-pitandranomasina ny faran’ny herinandro teo. Nanao diabe nilanja sorabaventy naneho ny tsy fankasitrahana ny herisetra sy ny fisamborana ary koa ny fitakiana ny fialan’ny mpitondra izy ireo. Anisan’izany ireo tanàn-dehibe any Frantsa, Alemana, La Reunion…




