Vondrona Irmar : Nidina an-dalambe koa ny mpanohana

Tanteraka tao anatin’ny filaminana ny sabotsy teo ny hetsika nataon’ny mpomba ny filoha Rajoelina Andry. Nasehon’izy ireo ny mbola fanohanany ny fitondrana sy ny fitsipahana ny korontana.

Samy niainga amin’ny boriborintany nifanakaiky ny diabe nataon’ireo fikambanana, olon-tsotra naneho ny fiarahany amin’ny filoha Rajoe­lina Andry. Anisan’izany ny nifamotoanan’ireo avy eny amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra rehefa samy niainga amin’ny toerana nisy azy avy ka teny Andavamamba ny fihao­nana. Tahaka izany koa ny he­tsika teny Ankorondrano, nihaonan’ny boriborintany fahenina sy ny fahatelo sy ireo hafa koa. Samy nilanja sorabaventy avokoa izy ireo. Teo ny amin’ny teny frantsay sy ny anglisy ary koa ny teny malagasy. Anisan’ izany ny tsy fankasitrahana ny korontana sy ny tsy fanekena ny fandrobana sy fanelingelenana ny asa fivelomana… Eo koa ny fitakiana ny zon’izy ireo ahafahana miasa sy mivelona andavanandro. Ny fanehoana fa mbola eo hatrany amin’ny fanohanana ny filoha Rajoelina Andry sy ny tsy fankasitrahana ny fanonganam-panjakana izy ireo. Ao koa ny antso ho amin’ ny hamelana ny filoha hanohy ny asany. Tsy nisy loko politika na fiakanjo na sorabaventy maneho izany teny amin’izy ireo, amin’ny ankapobeny.

Tsy nisy ny fifandonana

Na izany aza, tsy nisy ny fifandonana na fifanenana teny an-dalana teo amin’ireto mpanohana ny fitondrana sy ny filoha ireto ankilany sy ny avy amin’ny andaniny, mitaky ny fialan’ny filoha sy ny fitakiana ny zo fototra ara-tsosialy. Teny Maha­ma­sina sy Anosy ary teny Antanim­­barinandriana na teny Beho­ri­rika hatreny Ankadifotsy sy Ambatomitsangana ireto miara-dia amin’ny tanora sy ny Gen Z ireto. Nilaza ny hanohy ny he­tsika izy ireo, anio.

Synèse R.

Partager sur: