“Mahita izahay fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Repoblika. Efa niaraha-nahita ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana nandritra ny fitondrana Tetezamita. Tsy vahaolana ny mbola hiverenan’ny krizy indray. Satria hijaly ny firenena sy hirororosy fahana ny toekarena ary hijaly ny vahoaka. Aleo mijanona hatrany amin’ny lamina araka ny Lalàmpanorenana.
“Tsara misokatra ny governemanta mba hisian’ny fitoniana sy filaminana. Anisan’ny fepetra napetrakay sy takianay izany. Tokony ho mpiasam-panjakana ambony ny praiminisitra tendrena eo”, hoy kosa izy momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Tsy sanatria olona avy amin’ny sehatra tsy miankina na mpandraharaha ara-toekarena izany. Lehiben’ny governemanta sy lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny praminisitra. Anisan’ny fangatahan-dry zareo koa ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ny governemanta iraisana, tokony handalo fankatoavan’ny sendikà rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ireo mpiasam-panjakana ambony izany.
Dinidiniky ny raiamandreny sy ny zanaka no natao. Ela no nanirian-dry zareo hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika amin’ny maha raiamandreny lehibe azy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tanteraka izany ary ankasitrahan-dry zareo azy.
R. Nd.




