Fomba amam-panao : Tsy nahasakana famadihana ny fanatsatsoana sy ny fanakiviana

Mamaramparana ny fanatontosana ireo fomba amam-panao mandritra ny vanim-potoana maintany, ny Malagasy. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana (famadihandrazana). Misy hatrany ny olana fa tsy nampihemotra ny “raharaha”.

Isan-taona, miteraka adihevitra maro hatrany ny fanatanterahana ny famadihandrazana. Vao mainka mampitombo izany ny fihamaroan’ isan’ireo sehatra ahafahana miresaka na mitafa na maneho hevitra amin’ny alalan’ny soratra sy sary. Anisan’ireny ny karazana tambanjotrantserasera izay zary filan’ny fiainana andavanandron’ny Mala­gasy maro… Tsy maha kivy ny mpitana ny fomboan-drazana anefa izany.
7 000 000 Ar eo ho eo ny fandaniana tsy azo ialana raha hanatanteraka ny famadihandrazana amin’ny fomba tsotra. «Tsy maninona raha izay no hampirindra indray ny fihavanana. Ahafahana manome hasina ireo razana nipoirana. Ahafahan’ny fianakaviana mangata-tsodrano amin’ireo niandohany, sns», hoy ny fanazavan’ireo raiamandreny mandritra ny fanatontosana ity fomba amam-panao ity… Tsy mahakivy ny mpandala ny fomba ny hoenti-manana.
… Antony iray lehibe nampihena ny isan’ny Malagasy (isam-batan’olona) manatanteraka ny famadihandrazana ny fitsabahan’ny finoana any amin’ny fomba. Io ihany koa no nampizarazara ny ao ana­tin’ny ankohonana : ireo manao famadihana sy ny tsy mankasitraka izany intsony… Ny fomba amam-panao no taloha fa tsy ny finoana nentim-bahiny. Noho izany, tsy nataon’ny Malagasy mahatazona ny fomba hanova ny fahalalany ny “resa-pinoana”.
… Na hevitra, na fandaniana (vola, herim-po…), na ny “resa-pinoana”, sns. Tsy nampihemotra ireo mpitahiry sy mpandala ny fomban-drazana tsy hanatanteraka ny famadihana (famadihandrazana) izy ireny. Tsy nitondra fiovan-kevitra tamin’izy ireo ny fana­tsatsoana sy ny fanakiviana. Porofo manamarina fa ny tsara fototra, tsy miongam-poana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: