Tsy milamina ny firenena. Tsy milamina manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Samy vokatry ny fikorontanana ateraky ny saina avokoa ireo. Tsy mbola tazana loatra ny fiverenan’ilay soatoavina malagasy «ny fanahy no olona». Mbola manjaka ilay “ny saina mamosavy”. Tsy avy any ivelany ( tsy avy any ivelan’i Madagasikara na avy eny ivelan’ny vatana) ny fahaiza-mametraka sy miaina ny fahendrena sy ny soatoavina fa avy ao anaty. Noho izany, mila mifoha ny masom-panahin’ny tsirairay raha te hiaina ao anaty fitoniana sy firindrana.
Mijaly ny mpanakanto, satria, nofoanana na nahemotra ny fampisehoana. Maneho ny heviny momba ny toe-draharaha iainana eto amin’ny firenena ireo mpanakanto, sns. Mpihira ny ankamaroany. Raha ireo no atao indray mijery, voasarika hametraka hatrany ny raikipohy “mpanakanto = mpihira”, ny sain’ny Malagasy. Mila manao ezaka ny sehatry ny kanto hafa mba hanana fivelarana lehibe kokoa. Zavakanto, ohatra, ny fikirakirana sakafo. Ny Malagasy no anisan’ireo firenena manana akora fototra maro indrindra hoenti-manatanteraka izany. Saingy, tsy tazana manatanteraka hetsika (fahaiza-mahandro…) loatra ny tontolon’ny sakafo.
Vanim-potoana hitodihana any amin’ny fototra izao. Ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao no laharana voalohany amin’izany. Tsy mitodika fe mitodika fa manao izay tokony hiainana miaraka amin’ireny indray. Manao izay hampifandrindra izany amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy iainana, mba hitondra vokatsoa, kanefa, tsy hanimbana ny fototra ihany koa. Raha atao indray mijery, mety ho sarotra tanterahina? Antoka maha mety sy maha mora azy io ny fahavononan’ny saina sy ny fanitsiana ny fanabeazana.




