Efa azon’i Madagasikara ny laharana voalohany tamin’ny taona 2024. Mbola mahabe fanantenana koa ny delegasionina malagasy lasa niatrika ny fifaninanan-kira “Our Generation 2025” any Russie.
Efa any Russie i Michella. Izy no nahazo voalohany tamin’ilay fifaninanana “Our Generation” teto Madagasikara. Niara-dia aminy any koa i Brenda sy Riantsoa, araka ny tapaky ny mpikarakara avy any Russie, izay nanaraka mivantana ny famaranana, ny volana aogositra lasa teo. Tsy vitan’izay, mbola hanara-dia azy ireo, hanoro hevitra sy hitari-dalana mankany amin’ny fandresena ihany koa, ny coach Fidy. “Efa tena vonona izy telo mirahavavy. Tsy fanohanana azy telo mirahavavy fotsiny no andrasana amintsika mpanaraka fa fanohanana an’i Madagasikara mihitsy”, hoy ny nambaran’ity mpikarakara ireo solontena malagasy ity.
Tsy misy hoe mandeha ho azy ankoatra ny talentan’ireo tovovavy mpanakanto ireo. Ny ambiny, narahin’ny coach Fidy akaiky avokoa. Iaraha-mahalala rahateo fa sady hainy ny manoro lalana mpanakanto vao misondrotra, no talentany rahateo ny mitily ny mampety ny tsirairay. Misy anjara biriky andrasana amin’ny mpiray tanindrazana maneran-tany anefa, satria hisy fifidianana malalaka ny fifaninanana. Hizara roa rahateo izany, ka ny iray naoty avy amin’ireo mpitsara voafantina ary ny faharoa kosa dia ny naoty avy amin’ireo mpankafy maneran-tany.
Ny 11 oktobra izao no hiatrika ilay famaranana lehibe an’ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena “Our Generation”, ao amin’ny Live Arena, any Moscou, izy ireo. Tafiditra ho anisan’ny “favori” ka hatahoran’ireo mpifaninanana avy amin’ny firenen-kafa ny delegasionina malagasy. Am-polony mantsy ireo firenena hifaninana, toa an’i Chine, Brésil, Inde, sns. Na fifaninanana aza, hasongadina kokoa ny fifanakalozana eo amin’ireo samy adolantsento, satria ho an’ireo 9 hatramin’ny 16 taona izy ity.
Zo ny Aina




