Horonantsary «Debout! »: Nisongadina tamina « festivals » telo tany Londres

Niampy iray indray! Ni­songadina nandritra ny « Wine Dark Short Film Festival London » ilay horonantsary « Dé­bout! » an’i Felana Rajao­narivelo. Nahazo ny « Ho­norable Mention » niampy ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara ity horonantsary malagasy ity, tao amin’ny « Categorie Best Disa­bility Narrative ». Fanin­telony izao no nisongadina tamina « festival » tany Londres ny « De­bout! » tamin’ity taona 2025 ity. Naneho ny hafaliany, noho izany, i Felana Rajaonarivelo, satria vao avy voafantina tamin’ny « London International Pan African Film Festival » ny horonantsary, farany teo.
Horonantsary fohy, maharitra 20 minitra monja, saingy mandona ny fon’ireo izay nijery rehetra nanomboka ny volana septambra 2022 nivoahany ny « Débout ». Tantarana vehivavy malagasy efatra, miaina ny tsy fahatomombanana ara-batana kanefa mioitra amin’ny fiainana no nasongadin’ny mpanatontosa. Ny risi-po, ny finiavana ary ny fanantenana no marimarina kokoa, ary izay indrindra no nandona ny fon’ireo mpitsara rehetra tamin’ireo « festivals » maro maneran-tany efa nisongadinan’ny « Debout! ». Nan­deha tamina efitrano fijerena sarimihetsika malaza maro tany Etazonia. Tafiditra tao amin’ny « Festival international des films de femmes de Cotonou ». Nahazo loka roa nandritra ny « Emer­gence Films Festival » tany Lomé Togo. Voalohany tao amin’ny sokajy « Film on disability issue », nandritra ny « Cara­van international Film Fes­tival »… Santionany ihany ireo, ary mbola ho lava ny lalana ho an’ny « Debout ! ». Fandresena hatrany, fahombiazana tsy ho an’i Felana Rajaoanarivelo izay mpanatontosa irery, fa ho an’ireo vehivavy nasongadina anatin’ny horonantsary sy ho an’ny Malagasy amin’ny ankapobeny.

Zo ny Aina

Partager sur: