Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany.
“Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny tsirairay”. Io ny lahatenin’ny Praiminisitra, ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa, tamin’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Praiminisitra teo aloha, teny Mahazoarivo, omaly. Noho izany, miantso fiaraha-mientana izy amin’ny famerenana ny fitokisana, fanamafisana ireo andrimpanjakana ary fananganana hoavy mirindra sy maharitra ho an’ny firenena.
Maro ireo tanora, indrindra ireo taranaka vaovao Gen Z, maneho hevitra amim-pahasahiana sy fahendrena ary amin’ny endrika vaovao. Manamafy izy fa mihaino ary vonona hifampiresaka amin’izy ireo. Miankina amin’ny fampitomboana ny famokarana sy ny fampiroboroboana ny fihariana ny fitakiana maro sosona. Tsy ho tratra izany, raha tsy ao anatin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana.
Araka ny fangatahana maro ara-tsosialy sy toekarena avy amin’ny ankolafin-kery samihafa, misokatra amin’ny rehetra amin’ny fifampiresahana ny fitondram-panjakana. Amin’ny fanekena ny fahasamihafana ary amin’ny fametrahana vahaolana maharitra sy mirindra izany. Aoka ny fanajana sy ny fahendrena no aorina amin’izay hoavin’ny firenena, indrindra eo am-pijerena ny tombontsoa iombonana. Misy ny ezaka atao amin’ny fiantohana jiro sy rano eto Antananarivo sy amin’ireo faritra maro samihafa manerana ny Nosy. Tratrarina ao anatin’ny enim-bolana ny dingana voalohany, izay dingana ho azo tsapain-tanana, araka ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika. Mifanindran-dalana amin’izany ny famahana ny olana maro samihafa.
R. Nd.




