Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka.
« Anisan’ny ao an-tsaiko manokana ireo tsy manana jiro sy rano ary kivy tsy mahafantatra ny hoaviny », hoy izy tamin’ny teny fampianarana nentiny ho an’ny krisitianina tany an-toerana sy ny vahoaka malagasy.
Tsiahivina fa efa naneho ny alahelony manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara koa ny Papa Léon XIV, tamin’ny fiandohan’ity volana oktobra ity. Niantso ny rehetra mba hivavaka sy tsy hanao herisetra na inona na inona mety ho endriny ny Ray Masina tamin’izany. « Tena mampalahelo ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny tanora ka nahafaty olona maro sy naharatrana an-jatony », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny tena tsara kokoa ny firindran’ny fiainam-piarahamonina ao anatin’ny fampanjakana ny rariny sy ny soa iombonana.
Synèse R.




