Seces: “Tsy hifampiresaka raha tsy misy fitoniana”

“Raha mbola misy ny famonoana an’ireo zanakay, mbola tsy hiroso amin’ny fifampiresahana aloha ny Seces”, hoy ny avy amin’ny sendikàn’ny mpam­pianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces), Andriamasinoro, teny Ankatso, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay ian­tsoana fifampidinihana. Nefa vonona amin’izany ny Seces, rehefa tonga amin’ny fitoniana sy tsy fikasihana an’ireo zanany. Fantatra fa tsy maintsy hiroso amin’ny fifampiresahana ny zavatra rehetra toy izao.
Koa mijoro ho andry sy olon-dehibe hiankinan’ireo za­nany sy ireo ray aman-dreny amin’ny fanomanana ny hoaviny ry zareo, ka hiroso amin’izany fikaonandoha izany rahefa misy ny fitoniana. Manameloka ny zava-mitranga, indrindra ny famonoana an’ireo zanany: ny mpianatra, amin’ny fijoroany sy ny fandraisany andraikitra amin’izao fotoana izao izay hita fa tena potika tanteraka ary fanomanany ihany koa ny hoaviny izany. Manoloana izany, mi­antso ny rehetra ny Seces mba hijery akaiky izay hitondra any amin’ny fitoniana, ary tsy hikasika intsony ireo zanany.
“Sarotiny ny amin’ny fikitihana ny mpianatra ny Seces”, hoy kosa Ravelonirina Grégoire Sammy. Tsy mankasitraka ary manameloka ny fa­monoana mpianatra maneho hevitra: mitaky ny zo fototra voafaritry ny lalàmpanorenana izy ireo. Anisan’izany ny fisitrahana jiro sy rano, ny fahalalahana eo amin’ny fanehoan-kevitra, indrindra ny fitakiana ao anatin’ny filaminana tanteraka.

R. Nd.

Partager sur: