Fiainam-piarahamonina : Samy very fanahy ny rehetra

Nanana fahalalana lehibe momba ny fiainany ny Malagasy. Nifaka tamin’ny lamina voajanahary izy ireny ka zary fiainana andavanandro. Ny vatana nomen’ny ray aman-dreny anarana fa ny fanahy kosa niaraha-nanana.

«Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy raha nilaza sy naneho fa misy sakana tsy ahafahana manoatra any ho any. Fahalalana manasongadina fa nampiasa sy niaina ary niaraka tsy tapaka tamin’ny fanahy ny Malagasy, na taiza na taiza nisy azy. Io fanahy io no naneho taminy fa ratsy ny mandatsak’aina, ny maka ny tsy an’ny tena, ny mijery arina an-tava, ny maniratsira zoky sy raiamandreny, ny mifandefona ivoho, ny manao kely tsy mba mamindro, ny tsindrio fa lavo, ny mihomehy potraka, sns. Io fanahy ao amin’ny tsirairay io ihany koa no nahalalan’ny Malagasy fa tsara ny mifanaja, mifampitsinjo, ny miray hina, ny miara-misalahy, sns.
Amin’izao vanim-potoana izao, samy very fanahy ny rehetra. Sady tsy afa-manao na inona na inona manoloana ny ratsy, no tsy mahafantatra ireo tsara tokony hatao sy omen-danja. Ray aman-dreny niteraka, tsy mahateny ny zanany. Ny zanaka maniratsira ray aman-dreny. Ny manan-kery noho ny hafa, mibodo ny tsy azy. Tsy mahalala ny fi­sian’ny rariny sy ny hitsiny intsony. Nanjary tadiavina any amin’ny toerana tsy tokony hisy azy ilay fanahy maha olona. Lany fotoana amin-javatra tsy misy fotony.
Vitsy dia vitsy sisa no manam-panahy handalana, eny anivon’ny fiarahamonina. Misy indray, tairina mafy vao mahafantatra fa misy fanahy ao aminy. Tahaka ny fahagagana ny mahita Malagasy mifanampy, mifampitsinjo, mi­ray hina, matahotra an’An­driamanitra, mataho-tody, ma­dio fo… Misy rahateo ireo mivoy mafy ny soatoavina vahiny mba ho tonga soatoavin’ny Malagasy.
Azo atao ny kajy amin’ny toekarena, politika, sns. Fa tsy ampy ireny raha tena hikatsaka marina ny soa sy ny fampandrosoana ho an’i Mada­gasikara. Mila beazina sy haverina miaina ao anatin’ny « fanahy no olona » ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: