Fitantanam-panjakana: Krizy politika na sosialy no ananganana governemanta iraisana

Eo amin’ny fitantanam-panjakana, tsy tongatonga ho azy ny hoe governemanta iraisana na fiahara-mitantana. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny tsy fananana maro an’isa eny anivon’ny parlemanta. Eo koa ny fisian’ny ady na krizy politika na toekarena na sosialy. Izay tsara ho fantatra…

Mifanohitra amin’ny go­vernemanta mitovy fisainana avy amin’ny fironana iray ny governemanta iraisana amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Governemanta natsangan’ny solontenan’ny antoko politika maromaro, izay nanaiky ny hiara-miasa amin’ny fananganana fiaraha-mitantana ny governemanta iraisana. Ny tsy fisiana antoko tokana manana solombavambahoaka ampy ho maro an’isa eo anivon’ny parlemanta no antony mahazatra amin’ny fandaminana toy izany. Na amin’ny fotoan-tsarotra toy ny ady na krizy politika na toekarena lehibe, mety hanangana governemanta firaisam-pirenena na fiaraha-mitantana ny antoko. Amin’izany, mifototra amin’ny fifanekena hatrany ny fiaraha-mitantana.
Raha tsy misy antoko to­kana maro an’isa ao amin’ny parlemanta, ny governemantan’ny fiaraha-mitantana no toe-javatra mahazatra indrindra. Na misy manana maro an’isa aza ka miseho ny krizy politika na toekarena na so­sialy, governemanta fiaraha-mitantana no handaminana ny fitantanana. Ilaina, araka izany, ny fiaraha-mitantana rehefa tsy misy antoko mitana ny maro an’isa hitondra irery. Mba hanarenana izany, voatery manangana firaisankina ny antoko iray na maromaro hahazoana ny maro an’isa sy ho afa-kitondra. Amin’ny an­kapobeny, mipoitra izany toe-javatra izany noho ny fisian’ny antoko marobe. Na noho ny tsy famelana na fahasarotana ny fahazoana ny maro an’isa matanjaka amin’ny rafi-pifidianana.

Manana ny toerana sy ny lanjany ny governemanta iraisana

Na izany aza, zava-dehibe ny manamarika fa matetika manana endrika fiaraha-mitantana ny governemanta. Marihina koa fa tsy latsa-danja sady maharitra kokoa noho ny governemantan’ny antoko na fironana tokana ny governemanta iraisana. Mi­joro mialoha ny fifidianana ny fiaraha-mitantana, izay samy mirotsaka amin’ny fifidianana ny antoko samihafa rehefa avy nanao fampielezan-kevitra teo amin’ny sehatra iraisana. Saika miteraka olana izay karazana fiaraha-mitantana izay amin’ny ankapobeny. Satria avy amin’ny fifaninanana ny fiaraha-miasa: manaraka ny fiaraha-miasa amin’ny fifidianana ny fiaraha-miasa parlemantera. Araka izany, heverina ho marefo ny fiaraha-mitantana rehefa tafatsangana eo anatrehan’ny parlemanta ny antoko malemy sy tsy manana fitsipi-pifehezana, ary ho haingana ny faharavany. Rafitra manaiky ny fahasahamihafana ny tontolon’ny fivorian’ny governemantan’ny fiaraha-mitantana: midika ny hamaroan’ny antoko fa ma­nangana fiaraha-mitantana izy ireo mba hahazoana fahefana.

Misy karazana ny fiaraha-mitantana

Miforona ny fiaraha-mitantana maro an’isa rehefa tsy misy antoko mahazo ny maro an’isa tanteraka. Amin’izay tranga izay, ilaina ny mametraka fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka roa farafahakeliny mba hahazoana ny maro an’isa sy ha­hazoana mitondra. Amin’iza­ny, azo apetraka amin’ny fotoanan’ny fifidianana ny fiaraha-mitantana na hatsangana eny anivon’ny parlemanta. Araka izany, mandritra ny fampielezan-kevitra dia misy ny fiaraha-mitantana najoro teo anoloan’ny mpifidy, an­tsoina hoe “fiaraha-mitantana mafy orina”, izay ahitana antoko roa na maromaro maneho ny faniriany hiara-mitantana. Fanao mahazatra izany any amin’ireo firenena mampiasa ny fifidianana maro an’isa. Na izany aza, ny fiaraha-mitantana naorina ao amin’ny parlemanta, antsoina hoe “fiaraha-mitantana marefo”, dia mitranga rehefa misy antoko maromaro manana solombavambahoaka voafetra ary voatery manangana fiaraha-mitantana mba hananan’ny firenena governemanta. Heverina ho marefo io karazana fiaraha-mientana io, satria tsy mifototra amin’ny antony marin-toerana. Tena zava-dehibe tokoa ny mety hisian’ny antoko iray na maromaro hihemotra sy hirodana noho ny tsy fisian’ny maro an’isa intsony, satria atahorana amin’ny tsy fitovian-kevitra kely eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Misy koa ny fiaraha-mitantana heverina na sahala amin’ny maro an’isa, izay somary tsy fahita firy, no mitranga rehefa maniry ny hanorina fiaraha-mitantana midadasika ny vondrona parlemantera, mifototra amin’ny marimaritra iraisana mba tsy hihamalemy ny maro an’isa efa tafapetraka raha sendra misy fihemorana. Eo koa ny fiaraha-mitantana sahala amin’ny maro an’isa dia azo tohanan’ny antoko hafa noho ny antony anatiny: tsy miditra ao amin’ny governemanta fa manome vato vitsivitsy mba hiampitana any amin’ny fahazoana maro an’isa. Misy koa ny fiaraha-mitantana vitsy an’isa miaraka amin’ny fanohanana ny maro an’isa: mandray ny vaton’ny antoko iray noho ny antony manokana, tsy maniry ny hizara ny andraikiny amin’ny governemanta.

Hoy izy ireo :

“Tsy manangana fiaraha-mitantana hanakan-dalana fa hanokatra lalana.” Bruno Le Maire
“Mba hahazoana mitondra, ilaina ny governemanta.” Raymond Barre
“Tsy rezimanta ny governemanta.” Xavier Bertrand
“Eo ambanin’ny governemanta tsara, henatra ny fahantrana; eo ambanin’ny governemanta ratsy, henatra ny harena.” Confucius
“Tsy tokony hatahotra ny governemanta ny olom-pirenena; ny governemanta no tokony hatahotra ny olom-pireneny.” Alan Moore
“Misy ny fotoana ahaverezan’ny governemanta ny fahatokisan’ny vahoaka azy, fa tsy fantatro ny fotoana ahazoan’ny governemanta matoky ny vahoaka.” Antoine de Rivarol
“Ny ratsy indrindra amin’ny jadom-panjakana rehetra dia ny governemanta miaramila.” Robespierre
“Tsy manana tolo-kevitra tokony hatao ny governemanta, fa baiko omena ihany.” Charles de Gaulle
“Tsy maintsy mihaino be dia be ianao ary miteny kely mba hihetsika tsara amin’ny fitantanana fanjakana.” Kardinaly Richelieu

 

Partager sur: