Fametrahana fitoniana: Niantso famotsoran-keloka ny filohan’ny Ceni

Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena.

Nambarany tamin’izany fa mbola manamafy ny antso efa nataony tany aloha ny tenany, ny amin’ny hanomezana famotsoran-keloka ho an’ireo olom-boafidy sy olon-tsotra voarohirohy tsy fidiny amin’ny raharaham-pitsarana. Ani­san’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana vao voafidy teo, ny depioten’i Vangaindrano ary ilay nohelohin’ny fitsarana fa niditra an-tsokosoko tao amin’ny «Site» an’ny Ceni. «Atao izany antso izany ho amin’ny fametrahana fitoniana eto amin’ny firenena», hoy izy.
Ankoatra izany, nambarany fa efa nandray didy fanapahana ny birao maharitry ny Ceni ny amin’ny fanemorana ho amin’ny fotoana manaraka ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho loholona. «Tokony hanomboka anio, 9 oktobra, izany saingy noraisina ny fanapahan-kevitra noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena», hoy izy. Hanahirana ny fikarakarana dosie manoloana izao fihetsiketsehana izao. Nohitsiny koa fa tsy mbola misy ny tetibola manokana voarain’ny Ceni hanatanterahina izany fifidianana loholona izany.

Miombon-kevitra amin’ny Gen Z

Etsy andaniny, anisan’ny noresahiny koa fa miombon-kevitra amin’ny fitakiana eny an-kianja ny amin’ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ny Ceni. «Efa nivonona ho amin’izany izahay, niainga amin’ilay atrikasa natao tany Mahajanga, niaraka ta­min’ny rantsamangaikan’ny Ceni rehetra», hoy ihany izy. Natsidiny fa efa hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena hifampiresahana amin’ireo mpisehatra rehetra momba izany fanitsiana hatao izany ny Ceni, rehefa voaravona ireo tolokevitra rehetra, voarain’izy ireo.
Momba ny hetsika tarihin’ireo tanora Gen Z, nambarany fa manohana sy miombona tanteraka amin’izy ireo ny tenany amin’ny fitakiana ny zo fototra momba ny jiro sy rano. «Anisan’ny misedra sy miaina izany koa izahay eto anivon’ny Ceni sy ny maha olom-pirenena», hoy izy.
Na izany aza, niantso fifampiresahana sy fifanatonana ny tenany mba hahitana ny marimaritra iraisana ho tombontsoa ambonin’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: