Misoko mangina, tsy re tsaika. Tsy an-kiandriandry fa efa ao anatin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny FFKM.
Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana fa maromaro ireo efa noraisin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ho amin’ny fanelanelanana hataon’izy ireo. «Anisan’izany ireo solontenan’ny tanora mpianatra sy ny Gen Z. Teo koa ireo avy amin’ny antoko politika eo anivon’ny fanoherana sy ireo mpiandany amin’ny fitondrana. Manampy izany ireo solontenam-panjakana», hoy ny loharanom-baovao voaray.
Anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta io fanelanelanana hotarihin’ny FFKM io amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena ka iantsoana ny hery velona rehetra. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato izany. Tsy mbola nofaritany kosa anefa ny tetiandro hirosoana amin’izany.
Tsiahivina fa efa naneho ny fahavononana ireo filoham-piangonana, ny herinandro teo, ho amin’izany fanelanelanana izany. «Hijoro ho raiamandreny manoloana izao toe-draharaha izao izahay», hoy izy ireo.
Synèse R.




