Maromaro ireo mpitondra fivavahana naneho hevitra. Anisan’izany koa ny Evekan’ Antsirabe, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Tsotra sady fohy ny hafany. «Mijoroa ary sahia miteny ny tsy mety, indrindra ianareo tanora. Mandraisa andraikitra amin’ny zavatra tsara», hoy izy. Nambarany fa tsy tokony hanambany ny hafa izany na inona fahaizana, anton’asa, na voninahitra. Hatreo ambaravaram-pasana daholo izany fa mitovy daholo rehefa tonga ao. Tsy misy ambony tsy misy ambany fa samy simba avokoa, araka ny nambarany hatrany. «Koa aza manao tsindrio fa lavo ny hafa na manao kely tsy mba mamindro. Asehoy ny tena maha kristianina fa aza entina hanafenana ny ratsy atao», hoy izy.
Synèse R.




