« Manainga antsika Foloalindahy rehetra mba tsy ho voazarazara manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra koa mba ho tony », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo.
Tontosa, omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny MFA teo aloha, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny MFA vao nandray ny asany, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Nanao antso avo ho an’ny Foloalindahy ny MFA Deramasinjaka Manantsoa amin’ny tamberin’adidy ho an’ny vahoaka mpiray tanindrazana. « Avy amin’ny vahoaka ny Foloalindahy ka mijoro miaro ny vahoaka sy ny fananany manoloana ireo ambana marolafy an-drenivohitra, indrindra ny ambanivohitra. Noho izany, miantso ny mpiray tanindrazana rehetra mba ho tony », hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Nohamafisiny fa mpitandro filaminana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana, hiara-hiasa tanteraka amin’ny Hery fiarovana sy filaminana, izay iray tsy mivaky.
Manaja ny lalàna…
Niantso ny miaramila rehetra koa ny MFA mba ho tony mandritra izao fotoan-tsarotra izao ka tsy ho voazarazaran’ ny hevitra samihafa fa iray ihany ny Foloalindahy Malagasy. Manaja ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana misy eo anivon’ny Foloalindahy. Nankasitraka ny ezaka sy ny zava-bitan’ny minisitra teo aloha izy sady nanamafy hatrany ny fanohizana ireo asa fampandrosoana ny Foloalindahy Malagasy. Miainga amin’ ny politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny MFA. Mbola nanamafy hatrany ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo mpiara-miasa aminy ny MFA vaovao mba hanohizana ny asa napetraky ny MFA teo aloha. Maika ny hamerenana ny fandriampahalemana, indrindra amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, araka ny nambarany.
Marihina fa tonga nanatrika ny fotoana, omaly, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, sy ny minisitra Delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara Andriamitovy, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy.
Jean Claude




