Analamanga : Nofoanana ny « Couvre-feu »

Namoaka didim-pitondrana, omaly, ny prefektiora’ny polisin’ Antananarivo fa foana ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ ny alina, “Couvre feu”, ho an’ny faritra Analamanga.
Fanapahan-kevitra noraisina tao aorian’ny nahitana fa efa miverina tsikelikely ny fandriampahalemana eto amin’ny faritra Analamanga, raha ny voalazan’ny didim-pitondrana.
Efa nivaha ary nofoanana tahaka izany koa ny « Cou­vre-feu » ho an’ny tanàna-dehibe sasany. Anisan’izany ny any Mahajanga, Toamasina, Toliary ary Antsirabe sy ny manodidina.
Tsiahivina fa efa nanambara ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny nanendrena ny ampahany amin’ ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ahitana ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana fa hodinihina ny fandaminana an’izany.

Synèse R.

Partager sur: