Fampidirana am-ponja…: Nandiso ireo vaovao niely ny fitsarana

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, manoloana ireo vaovao maro samihafa, iniana aparitaka. Nandiso tanteraka izany izy ireo.
« Tsy marina velively ny fi­lazana fa notazonina vonji­maika kanefa tsy noraisin’ny mpandraharahan’ny fonja ireo mpianatra nanao fihetsike­tsehana teny an-dalambe », hoy ny fanambarana, nivoaka omaly. Nanterin’izy ireo koa fa misy amin’ireo mpianatra sy olon-tsotra, ahitana mpiasa efa nohafahan’ny fitsarana avokoa. Eo koa anefa ireo natao ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, araka ny fepetra ara-dalàna mifehy izany.
Nitondran’ny minisiteran’ ny Fitsarana fanamarihana koa anefa fa melohin’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireo olona voarohirohy tamin’ny fandrobana sy fandoroana fananan’olona. « Noraisina tanteraka ny fepetra hentitra ho azy ireo, ary notazonina vonjimaika any am-ponja amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny fanambarana. Nohitsin’izy ireo fa tsy araka ny vaovao iniana haely fa mpianatra ireo voatazona vonjimaika ireo.
Manoloana izany rehetra izany, nanao antso avo sy na­nentana hatrany ny minisi­te­ran’ny Fitsarana ho an’ny olom-pirenena rehetra mba tsy ho mora mino na hizara tsaho aparitaka amin’ny tambajotra sosialy. « Aoka isika hiankina amin’ny vaovao ofisialy sy marina hatrany », hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana fa antoka hampanjakana ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena izany.

Synèse R.

Partager sur: