Nanambara ny eo anivon’ny Holafitry ny farmasianina fa tsy afaka ny hitazam-potsiny izy ireo manoloana ny maratra rehetra noho ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, amin’ izao fotoana izao. « Mivondrona tanteraka izahay izao ary manangona ny kely voatsirambin’ny tànana entina hanampiana amin’ny fitsaboana ny marary sy ny maratra rehetra », hoy izy ireo. Mbola nanentana sy miantso ireo rehetra afaka mandray anjara araka ny fahafahany manohana sy manampy azy ireo amin’izany ireto eo anivon’ny Holafitry ny farmasianina ireto. Tsiahivina fa efa misy koa ireo mpitsabo maimaimpoana amin’ny toerana samihafa mandritra ny hetsika an-dalambe.
Synèse R.




